Andro iraisam-pirenena ho an’ny kaoperativa:Mpisitraka voalohan’ny TANINKETSA INDOSTRIALY ny Kaoperativa isam-paritra

Miara-miasa akaiky amin’ireo mpisehatra eny ifotony ny MICC ahafahany mametraka ny tantsoroka Taninketsa Indostrialy. Mitondra vahaolana haingana sy maharitra ny fandaharanasa Taninketsa Indostrialy noho izy miteraka fampananana asa sy manome lanja ny vokatra misy eny ifotony.
Taninketsa Indostrialy efatra ankehitriny no efa tafapetraka sy vita andrana ka isan’izany ny any Ankadinondry Sakay, Faritra Bongolava izay hanodina ny voanjo ho lasa menaka. Manampy betsaka ny mponina izany amin’ny famatsiana ny menaka ao amin’ny Faritra sy ny manodidina. Tanjona napetraky ny MICC ny hitondrana izany vokatra izany manerana ny tsena anatiny ary vinaina hiroso mankany amin’ny tsena ivelany. Nivoitra ireo nandritra ny famelabelaran-kevitra notontosaina tetsy Antaninarenina androany 01 Jolay 2022 folakandro. Nandray anjara tamin’izany ny Tale misahana ny Fisandratana ara-indostria (DEI) Njiva Rakotoarivonona, ny Talem-paritra (DRICC) Bongolava Andrianantenaina Raherison ary ny Filohan’ny Kaoperativa KSIA Ankadinondry Sakay.

Vous aimerez aussi...