Fiarovana ny mpanjifa

Nampahatsiahivina ny mpivarotra eny Ambatofotsy Sabotsy namehana ny Lalàna mifehy ny asan’izy ireo alohan’ny hampiharana ny sazy amin’ireo izay mandika izany
Niara-dalana tamin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny mpanjifa (DRH) eto amin’ny Minisiteran’ny Varotra ny Fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa PMH androany Talata 5 Marsa 2024 tamin’ny fidinana ifotony teny amin’ireo mpivarotra eny Ambatofotsy Sabotsy Namehana. Noentanina ireo mpivarotra ireo hiditra amin’ny ara-dalàna ka hanana taratasy fahazoan-dalana hivarotra, handoa hetra ary hitondra ireo mizana sy vatomizana ho tsaraina eny amin’ny Sampandraharaha misahana ny Refy sy ny Lanja eny Soarano.
Nanome fe-potoana 10 andro ireo mpivarotra ny tompon’andraikitra ka handray fepetra avy hatrany ary hampihatra ny sazy ho an’ireo izay mbola minia mandika lalàna. “Tsy Azo ekena intsony ny fampiasana ireo fitaovana tsy manaraka ny fenitra nefa mbola hita eny an-tsena”, hoy ny Tale (DPC) Laurencia Razanadrakoto.
Hanohy ny fitsirihana ny Fokontany sy ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa PMH ary hampandre avy hatrany ny DPC izy ireo raha mbola mahita tsy fanarahan-dalàna.

Vous aimerez aussi...