Andranopasy: Nentanina ny mpamokatra hanisy ioda ny sira vokariny

Novoriana ireo mpamokatra sira any Andranopasy distrikan’i Manja mba hiditra amin’ny famokarana manaraka ny fepetra ka anatin’izany ny fanasiana ioda ny sira. Nanatanteraka Atrik’asa tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo ny CRS (Komitim-paritry ny sira) Menabe niaraka tamin’ny mpiara-miombon’antoka aminy toy ny DRICC Menabe.
Nisy koa ny fanentanana ireo mpamokatra ireo hivondrona anaty kaoperativa. Hatreto mantsy dia mbola mamokatra sy mivarotra amin’izao fotsiny izy ireo. Naneho fahavononana ho amin’izany izy ireo satria ny famokarana sira no tena foto-piveloman’ny mponina any an-toerana.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...