Seha-pihariana lavanila:Niatrika ireo mpandraharaha ny Filoham-pirenena

Fihaonana tamin’ireo mpandraharaha amin’ny seha-pihariana lavanila no namarana ny dian’ny Filoham-pirenena tany amin’ny Faritra SAVA om aly Alatsinainy 25 Jolay 2022. Nampita hafatra tamin’ireo mpividy sy mpanondrana lavanila izy mba tsy hisian’ny fampifilafilana sy fampijaliana atao amin’ny tantsaha mpamokatra. “Ny fitondram-panjakana dia tsy hanao ny asanareo fa aoka kosa tsy ho ampijaliana ny tantsaha mpamboly. Mila mampody ny vola vahiny azo amin’ny fanondranana lavanila ianareo ary koa mba tsy hanao fanambarana diso”, hoy i Andry Rajoelina tamin’ity dinik’asa tao Antalaha ity. Niantso fiaraha-miasa mba ho tombontsoan’ny be sy ny maro moa ny Filoha.
Fifanakalozan-kevitra nitadiavana vahaolana amin’izao taom-piotazana lavanila izao no natao. Samy namoaka ny hetahetany ny mpandray anjara.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...