Vaovaon’ny faritra Itasy : Nitety distrika ny fampahafantarana ny momba ny TANINKETSA INDOSTRIALY

Nandritra ny 3 andro, ny 18 ka hatramin’ny 20 Jolay 2022, ny DRICC Itasy sy ny OMAPI (Ofisy malagasy momba ny fizaka-manana ara-indostria) no nitety ny distrikan’i Miarinarivo, Arivonimamo ary Soavinandriana. Nampahafantarina tamin’izany ny tombontsoa ateraky ny TANINKETSA INDOSTRIALY ho an’ny kaoperativa izay mandray anjara amin’ny fanatrarana ny tanjona fahavitan-tena ara-tsakafo. Niendrika fampiofanana ny fihaonana izay nahitana ny avy amin’ny kaoperativa, ny orinasa misehatra amin’ny fanodinana ( voanjo ho lasa menaka, akora samihafa ho savony, ronono, tapia, mangahazo), mpanao asa tanana sy mpiompy trondro. Nampirisika ny kaoperativa hanao ireo dingana fiarovana ny vokatra koa ny OMAPI.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...