Fiarovana ny mpanjifa: fitaovam-pandanjana 42 tao an-tsenan’Ankirihiry tsy maintsy nogiazana

Nanatanteraka fitsirihana tampoka teny anivon’ny tsenan’Ankirihiry ny ekipan’ny DRICC Atsinanana ny Alakamisy 4 Mey 2023 rehefa naharay fitarainana avy amin’ny mpanjifa ao Toamasina. Fanaraha-maso niarahana tamin’ny talen’ny tsena avy ao amin’ny firaisana Toamasina renivohitra.

Hita tamin’izany fa tena misy ireo tsy manara-dalàna manao fangalarana ankolaka amin’ny alalan’ny fampiasana fantsika. Misy ireo manana taratasy manamarina fa ara-dalàna ny vatomizana ampiasainy fa mampiasa kosa vatomizana hafa tsy nandalo fitsarana. Misy ireo manafina ny fitaovam-pandanjana rehefa nandalo ny ekipa. Misy kosa anefa ireo tena manara-dalàna.
Vokany, 42 ireo fitaovam-pandanjana nogiazina.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...