Fiarovana ny mpanjifa: tsy nahitana “formol” ireo hena natao fitiliana

Nandiso ny resaka naely amin’ny momba ny hena misy “formol” ny valin’ny fitiliana natao. Nazava ny tenin’ny Talen’ny Rafitra mpanara-maso ara-pahasalamana ny hatsaran’ny sakafo (ACSQDA) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Andrianjaka Razafinarivo. “Tsy nahitana formol ireo hena natao fitiliana”, hoy izy androany Zoma 12 Mey 2023 tetsy Ambohidahy.

Nifanotrona tamin’ny famoahana ny valin’ny fitiliana natao tamin’ireo singa nalaina teny amin’ny mpivaro-kena eny amin’ny tsena samihafa teto Antananarivo androany ny avy amin’ny ACSQDA, ny Minisitera misahana ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) ary ny Codex Alimentarius.

Nanentana ny tompon’andraikitra hanohy hatrany ny ezaka sy hanamafy ny fanaraha-maso kosa ny Filohan’ny Komity Nasionaly Codex Alimentarius, Dr Ilo Tsimok’Haja Ramahatafandry. Nitodika tamin’ny mpivarotra moa izy mba “tsy ho alaim-panahy hanandrakandrana aorian’izao filazana izao fa tsy nahitana formol ny hena natao fitiliana. Ho an’ny mpanjifa indray dia mba hanjifa ny hena madio, izany hoe hena misy fitomboky ny mpanara-maso izy ireo.

Mbola nanamafy moa ny Talen’ny Fiarovana ny mpanjijfa (DPC) eo anivon’ny Minisitera misahana ny Varotra sy ny Fanjifana, Laurencia Razanadrakoto fa atolotra ny Fitsarana avy hatrany izay tratra manisy “formol” ny hena satria fanapoizinana sokajiana ho heloka bevava ny toy izany. “Raha misy ny tranga mampiahiahy dia azo atao tsara ny miantso ny laharana maitso 0336581234 ahafahana mandray ny fepetra mifanandrify amin’izany”.

Vous aimerez aussi...