Fidinana ifotony nataon’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria tany amin’ny faritra atsinana

fidinana_ifotony

𝟮𝟵, 𝟯𝟬, 𝟯𝟭 𝗮𝗼𝗴𝗼𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟰: Nanatanteraka fidinana ifotony tany amin’ny faritra Atsinanana avy hatrany ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA sy ny ekipa teknika eo anivon’ny MIC raha vao nandray ny fitantanana ny Minisitera.

Telo Andro nisesy no nijeren’ny Minisitra mivantana ny zava-misy eny an-kianja. Nanombohany izany fidinana izany ny faritra Atsinanana. Nojerena avokoa na ny sehatry ny varotra na ny ara-indostrialy ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.

𝗔𝗹𝗮𝗸𝗮𝗺𝗶𝘀𝘆 𝟮𝟵 𝗮𝗼𝗴𝗼𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟰 :

✅Nijery manokana ny toe-draharaha mikasika ny famokarana ny siramamy tao Brickaville ny delegasion’ny MIC niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Ivon-toerana Malagasy momba ny fary sy ny siramamy (CMCS). Notsidihana hatramin’ny toerana ahafahana mamboly fary maro karazana tao amin’ny Centre de quarantaine Ranomafana. Tsikaritra tamin’izany fa azo atao tsara any mametraka taninketsa hambolena ireo karazana fary ilain’ny orinasa mpamokatra siramamy ao Brickaville. Ary afaka manampy ny orinasa Sirama amin’ny famatsiana ny akora fototra izany taninketsa izany. “Tsy maintsy jerena farany izay haingana ny hampiodinana ny orinasa mpamokatra siramamy ao Brickaville”, hoy ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA. Ampy ary tsara kalitao ny akora fototra hamokarana ny siramamy hoy hatrany ny tenany. Nisy ny fifanakalozan-kevitra niarahan’ny delegasion’ny MIC sy ireo manam-pahefana tao amin’ny Distrikan’I Brickaville toy ny Lehiben’ny Distrika, ny Ben’ny Tanana ary ny Tale Jeneralin’ny orinasa Sirama. Nodinihana ireo teboka manakana ny fampiodinana ny ozinina.

✅One District One Factory: Mijery ny akora fototra isam-paritra, mametraka ny milina sy ny ozinina ary mijery ny lalam-barotry ny vokatra ny MIC

Manampy ny fivoaran’ny fari-piainan’ny kaoperativa mamatsy ny ozinina sy mampivoatra ny ara-toekaren’ny faritra ny fisian’ny ODOF Brickachips ao Brickaville amin’ny alalan’ny fanomezan-danja ny akora fototra. Miteraka sanda hary eo amin’ny vokatra akondro sy ovy ao an-toerana ihany koa ny fanodinana izany eny ifotony fa tsy mandeha lavitra akory. Raha tsiahivina dia notokana tamin’ny volana may lasa teo ny orinasa Brickachips ary afaka mamokatra chips hatramin’ny 8000 fonosana 100g isan-kerinandro. Tsy mijaly izy ireo amin’ny famokarana ny akora fototra satria misy mandavan-taona ny akondro ao an-toerana.

✅Manohana hatrany ny fandraharahana eny ifotony ny MIC hampiroboroboana ny famokarana ny vokatra eto an-toerana

“Ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra, amin’ny maha-mpiahy ny Sehatra tsy miankina azy dia vonona hanampy amin’ny fametrahana ny toe-danja ara-barotra anatiny sy ivelany. Mijery ny tombontsoan’ny tsirairay ao anatin’ny varotra sy ny fijerena ireo lalam-barotra ny MIC.” Tenin’ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA izany raha nitsidika ny kaoperativa PAACO na Produits Agricoles et Artisanaux de la Côte Orientale ny tenany tany Toamasina.

𝗭𝗼𝗺𝗮 𝟯𝟬 𝗮𝗼𝗴𝗼𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟰 :

Nijery manokana ny famatsiana sy ny toetry ny fanafarana entana tao Toamasina ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA. Lalan-tsaina napetrany ny fiarovana ny mpanjifa sy ny fandrindrana ny famatsiana ny tsena hiantrehana ny vanim-potoanan’ny maintso ahitra. Tsy hisy ny fitaintainana fa hilamina ny vahoaka. Namory ireo mpandraharaha ara-barotra misahana ny fanafarana entana ilaina andavanandro ny Minisitra niaraka tamin’ny Fitalevam-paritra Antsinanana.

Nitsidika ny SMMC ary nijery ny fandrosoan’ny asa fanitarana ny seranan-tsambo niaraka tamin’ny tale jeneralin’ny SPAT ihany koa ny tenany.

Nijery orinasa hafa ihany koa ny delegasion’ny MIC amin’ny maha mpiahy ny sehatra tsy miankina ny Minisitera toy ny LMOI, ny TRIMETA, CTHT ary ny SOPRAL.

𝗦𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 𝟯𝟭 𝗮𝗼𝗴𝗼𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟰:

Nofaranana tao Vatomandry ny dian’ny delegasion’ny MIC izay nanatanteraka ny fitsirihana ny toe-java-misy eo amin’ny sehatry ny varotra sy ny indostria tany amin’ny faritra Atsinanana. Nitsidika ny Orinasa ODOF mamokatra gilasy fitehirizana sakafo izay natolotra ny volana jolay lasa teo. Efa nanao ny handrana ara-teknika ny orinasa MEX ary mamokatra hatramin’ny gilasy 3 taonina isan’andro ny orinasa rehefa miodina.

Nitohy tamin’ny fitsidihana ny toeram-pambolena fary tao Ilaka Atsinanana izy ireo ary namory avy hatrany ireo tantsaha mpamboly fary tao an-toerana.

Vous aimerez aussi...