Fifanarahana ara-toekarena sy ara-barotra: lohahevitra 12 no ifandresen’ireo firenena AFOA 5 sy ny Vondrona Eoropeana lahatra 

Nanomboka ny Talata 27 Jona 2023 ka hatramin’ny rahampitso Zoma any Bruxelles, Belgique, ny dinika eo amin’ireo firenena 5 aty Afrika Atsinanana sy Atsimo na AFOA (Madagascar, Maurice, Seychelles, Zimbabwe, Comores) sy ny Vondrona Eoropeana.

Ny lohahevitra momba ny varotra servisy, ny fanalalahana ny fampiasam-bola, ny varotra nomerika, ny fizaka-manana ara-tsaina ary ny sakana teknika eo amin’ny varotra no nanombohana ny dinika ny andro voalohany. Nafana ny adihevitra ary samy naneho ny fahavononana hahita marimaritra iraisana ny roa tonta.

Nekena avokoa ny fangatahan’ny firenena AFOA 5 ho fanamafisana traikefa sy fanohanana teknika.

Sary DCE

Vous aimerez aussi...