Fifandimbiasam-pitantanan-draharaha

Tontosa ny famindran’andraikitra teo amin’ireo Sekretera Jeneralin’ny MIC.

Androany 21 martsa 2024 no namindra ny fitantanan-draharaha tamin’ny Sekretera Jeneraly vaovao Ranoelimanana Vahinisoa Seheno ny Sekretera Jeneraly teo aloha Ramananarivo Andriamampiandra Heriniaina. Fanamby lehibe no miandry ny Sekretera Jeneraly vaovao, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy dia ny mahakasika ny seha-pihariana lavanila, izay asa mankadiry tokoa eto amin’ny firenena, ary ny Taninketsa Indostrialy, izay mila imasoana ary hijerena mpanosika tetikasa matihanina. Raha tafapetraka soa aman-tsara manerana ny Nosy ny taninketsa Indostrialy, hoy ihany ny Minisitra, dia hiova ny fiainan’ny mponina sy ny tantsaha mpamboly.
Marihana fa Tale nitantana ny Foibem-pitondrana misahana ny Raharaha momba ny Lalàna (DAJ) eto anivon’ny MIC ny Sekretera Jeneraly vaovao.

Vous aimerez aussi...