Fifandraisana ara-barotra aty afrika: nisitraka tohana ara-bola mitentina 1 300 000 dolara amerikana avy amin’ny BAD i Madagasikara ho fametrahana ny Faritra ara-barotra malalaky ny Kaontinanta Afrikana (ZLECAF).

Ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) no rafi-panjakana hiandraikitra ny fanatanterahana ny fametrahana sy ny fampiroboroboana ny faritra « ZLECAF » eto Madagasikara. Vola tsy haverina fa nomen’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD) ho an’ny firenena malagasy izany ho fanohanana ny fametrahana izany rafitra izany. Raha tsiahivina dia nanao sonia io fifanarahana ZLECAF io tamin’ny taona 2018 ny firenena malagasy.
Androany 12 jona 2023 kosa no tontosa ny fifanaovan-tsonia fifanarahana teo amin’ny solontenan’ny BAD eto Madagasikara, Adam Amoumoun sy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rindra Rabarinirinarison tetsy Antaninarenina. Nanatrika izany ny solontenan’ny MICC notarihin’ny Sekretera jeneraly Onja Miandry Rakotondramanana, nahitana ny Tale jeneraly misahana ny Varotra ary ny Tale misahana ny Varotra Ivelany.
Naneho hatrany ny fahavononany hanohana sy hanao tantsoroka an’i Madagasikara ny BAD eo amin’izay dingana rehetra hametrahana ny Faritra ara-barotra malalaky ny kaontinanta afrikana ho fampandrosoana ny fifandraisana ara-barotra eto Afrika.

Vous aimerez aussi...