Fifandraisana ara-barotra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena

Miomana sahady amin’ny fivoriana fifandresen-dahatra faha-13 amin’ny Vondrona Eoropeana ny firenena Malagasy izany hiarahan’ny firenena 5 ahitana ny Seychelles, Maurice, Comores, Zimbabwe Ary Madagasikara ao anatin’ny AFOA (Afrika Atsinanana sy Atsimo).
Amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny ny politika ara-barotra iraisam-pirenena ny Minisitera misahana ny Varotra dia nampiantso fivoriana tetsy amin’ny Salle de formation Douane ny Alakamisy 14 martsa 2024. Nampahafantarina nandritra ny fivoriana ny fifandinihan’ny firenena AFOA 5 sy ny Vondrona Eoropeana ary hanomanana ny dingana manaraka amin’izany. Nivoitra tao amin’ny adihevitra ny tombontsoa tokony ho arovana sy iadiana mikasika ireo lohahevitra 13. Ireo rafi-panjakana voakasika no tonga nizara ny lohahevitra miisa 13 tandrify ny tsirairay ary natrehan’ny sehatra tsy miankina izany. Lohahevitra miisa 6 amin’ireo kosa no mahakasika ny MIC manokana: ny famahana olana, ny varo-draharaha sy ny famatsiambola, ny fifaninanana, ny ANMCC, ny sakana teknika amin’ny varotra ary ny fifanarahana ho amin’ny fampandrosoana. Hanohizana ny politikan’ny Minisitera eo amin’ny fangaraharana ity hetsika ity ho fampandrosoana ny firenena.
Ho tanterahana ny 18 hatramin’ny 22 martsa 2024 ny fivoriana fifandresen-dahatra faha-13 iarahan’ny firenena AFOA 5 sy ny Vondrona Eoropeana.

Vous aimerez aussi...