Fihariana

? Notsidihan’Atoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ireo mpandraharaha mpamboly, mivondrona ao amin’ny kaoperativa Fandrosoantsoa ho an’ny Melaky (FA.ME) mpisitraka ny fanohanan’ny Fihariana, nandritra ny fandalovany tao Maintirano, faritra Melaky omaly 21 may 2024 nijery ny fandrosoan’ny asan’ireto mpamboly ireto sy ny fizotry ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny orinasa Sahanala.
? Raha tsiahivina dia mpandraharaha mpamboly katsaka miisa 585 no notohanan’ny Fihariana any Melaky amin’ny alalan’ny fampitaovana. Isan’ny goavana indrindra amin’izany ny famatsiana azy ireo « moissonneuse-batteuse », fitaovana izay efa am-perinasa tanteraka amin’izao fotoana izao ka ahafahan’izy ireo mampitombo ny taha-pamokarany. Manaraka tanteraka ny vinam-pampandrosoana, napetraky ny Filohan’ny Repoblika, mahakasika ny fampivoarana ny fambolena sy ny indostria izao fiaraha-miasa mahomby izao.
? Ny orinasa Sahanala moa no miandraikitra ny fanangonam-bokatra sy ny fanodinana izany ho akora fototra entina hamatsiana ireo indostria any avaratry ny Nosy.
? Arak’izany, ankoatra ny famoronana asa mivantana ho an’ireo mpandraharaha mpamboly miasa eny ifotony dia mandray anjara tanteraka amin’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny rojom-pihariana katsaka ny Fihariana. ??

Vous aimerez aussi...