Fisokafan’ny fotoam-pivorian’ny parlemanta: nankasitraka ny mpanatanteraka ireo filohan’ny Antenimiera roa tonta

Na ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa, teny Tsimbazaza, na ny Filohan’ny Antenimieran-doholona Herimanana Razafimahefa, teny Anosikely, androany dia samy nankasitraka ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra Christian Ntsay. Samy nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fitoniana koa izy ireo amin’izao vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao.

Nanao tatitry ny asa vitan’ny Antenimiera roa tonta koa ny filohany. Toy ireo mpikambana hafa ao amin’ny Governemanta dia anisan’ireo tonga nanatrika ny lanonam-panokafana ny fotoam-pivoriana androany Talata 2 Mey 2023 ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana Edgard Razafindravahy.

Sary Nomena

 

Vous aimerez aussi...