Fitsidihana fifanakalozana: Modely ry zareo any Alemaina amin’ny lafiny kaoperativa

Mampiavaka ny any Alemaina ny fanomezana lanja ny sehatra fanofanana mifanandrify amin’ny sehatr’asa atao. Ny tetikasa nahazo fanampiana kosa dia tsy maintsy atao fitsirihana momba ny fitantanana ny orinasa sy ny famatsiam-bola. Ny kaoperativa sy ny fanjakana dia samy manana ny ivon-toerana na rantsamangaika manokana misahana izany fitsirihana sy fanaraha-maso izany.

Nifarana tamin’ny herinandro ny fitsidihana fifanakalozana momba ny kaoperativa tany Alemaina ka nandraisan’ny avy eto amin’ny MICC anjara.

Ampirisihana ny fananganan’ny tantsaha mpamokatra indostria any ambanivohitr’i Bavière. Omen’ny fanjakana azy ireo ny fanamorana rehetra toy ny hetra, fotodrafitrasa ary ny fanampiana ara-bola. Nisy koa ny fitsidihana toeram-pambolena legioma sy voninkazo ary fiompiana lehibe iray izay mamatsy ny faritra misy azy ary miara-miasa akaiky amin’ireo tantsaha mpamokatra, manam-pahaizana manokana momba ny famokarana ary ny tananan’i Munich. Mandray tanora maro eo an-toerana izy io hiofana amin’ny sehatra famokarana. Mamokatra ary mivarotra mivantana amin’ny kaoperativa iray izay mandray ireo voakatra ireo.

Anisan’ny notsidihana koa ny « Supermarché » kaoperativa mandray ny vokatry ny fambolena sy fiompiana, voaodina na tsia. Io kaoperativa io dia miandraikitra ny fitaterana ireo vokatra, fampitaovana ary ny famarotana. Manana ny « LABEL » manokana ny kaoperativa ka ireo mikasa ny hivarotra ny vokatra ao amin ‘ny « supermarché » kaoperativa dia tsy maintsy mitondra ny « LABEL » -n’ny kaoperativa avokoa. Natsangana ho an’ny mponina eo amin’ny faritra ny kaoperativa ary ireo vokatra ireo dia natao mba ho jifain’ny mponina eo amin’ny faritra ihany tsy hanafarana avy amin’ny faritra hafa.

Nisy ihany koa ny fitsidihana Banky kaoperativa iray izay misahana ny fampindramam-bola ireo manana tetikasa momba ny fambolena sy indostria. Ny fanjakana dia mandray andraikitra lehibe amin’ny fanomezana antoka na famatsiam-bola mivantana ho an’ireo mindram-bola.

Sary DPE

Vous aimerez aussi...