Fivoriana niarahana tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra Lapan’i Mahazoarivo

sg_min
Fivoriana niarahana tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra
Lapan’i Mahazoarivo – 11 septambra 2024 – Nitsidika ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ny Praministra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian androany maraina, izay niarahany hatrany tamin’ireo tomponandraikitra rehetra notarihin’ny Ministra, Andriamatoa David Ralambofiringa.
Nodinihina tsirairay tamin’ny antsipiriany ireto seha-pamokarana misy eto amintsika ireto : Indostria mpamokatra siramamy, Indostria mpamokatra menaka fihinana, Indostria mpamokatra lafarinina, Indostria mpamokatra akanjo, Indostria mpamokatra simenitra, Indostria mpanodina vokatry ny tany ho sakafo, Indostria mpamokatra loha menaka. Noresahina tamin’izany ny vokatra efa azo amin’izao fotoana izao ary ny làlana mahomby sy ny fomba rehetra hisian’ny indostria fanampiny ahafahana manatratra ny tanjona dia ny tsy hanafaran’i Madagasikara intsony ireo vokatra voahodina ireo ao anatin’ny fotoana fohy.
Taorian’izay dia natao ny tombana mahakasika ny zotram-panatanterahana ny fametrahana ireo Zones d’émergence industrielle (ZEI) eto amintsika, toy ny ao Toliara, Taolagnaro, Moramanga, Mangatany Arivonimamo ary Andrakaka Antsiranana. Marihina fa efa misy ny tetikasa manampy ny asa fananganana ireo ZEI ireo, toy ny PTASO sy ny PAISF izay vatsin’ny BAD vola. Nanome toromarika ny Praiministra mba hanafainganana ny asa fanorenana ireo.
Nanamarika ny Praiministra fa efa mandeha tokoa ny fametrahana ny Programa ODOF (One District, One Factory) manerana ny Nosy. Ny fanohizana ny asa dia mila fijerena farak’izay haingana ny modelim-pitantanana azy ireo mba tena haharitra tokoa ireo orinasa madinika mpanodina vokatra ireo.
Nanao jery todika ireo orinasam-panjakana izay misedra olana amin’izao fotoana izao ny Praiministra ka nanomezany toromarika mazava mahakasika ny hampandehanana azy ireo indray, toy ny SIRAMA Brickaville, SIRANALA Analaiva, SIRAMA Nosy Be.
Teo amin’ny lafin’ny varotra dia nodinihina ny tokony hifehezana araka ny tokony ho izy ny fanafarana vary sy ny vidiny avy any ivelany, ny vidin’ireo vokatra fanondrana toy ny lavanila, jirofo, cacao, litchi.
Nahatsapa ny rehetra fa tsy ampy ny fampahalalana ireo fomba hisintonana fampiasam-bola eto amintsika ka tsy maintsy hatao ny fanatsarana sy fanatevenana ny « Business Portal » izay efa misy eo anivon’ny Ministera.
Farany, maro ny andrasana amin’ity Ministera ity hoy ny Lehiben’ny Governemanta ary mila manova fomba fiasa ny rehetra ary mametraka drafitr’asa mazava miaraka mba hanafainganana ny fanatanterahana azy ireo. Efa mipetraka amin’izao fotoana izao ireo lalàna vaovao nanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto amintsika ka tokony avadika ho vokatra azo tsapain-tànana izy ireo amin’ny alàlan’ny indostria mitsangana sy miasa eto amintsika.

Vous aimerez aussi...