Foara Meva 2024

foara_meva
Haranty mandritra ny hetsika Foara Meva ao Antsiranana ny vokatra ODOF
Mandray anjara ary hampirantiana eo amin’ny tranohevan’ny MIC ny vokatra ODOF (One District One Factory) toy ny divay, chips, paty, menaka, vovoka kakao mandritra ny efatr’andro amin’ny Foara Meva ao Antsiranana ny 27 hatramin’ny 30 aogositra 2024. Tanteraka omaly Talata 27 aogositra 2024 ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialin’ity hetsika ara-toekarena ity izay karakarakain’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) Diana sy ny Federasion’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria eto Madagasikara (FCCIM). Tombontsoa lehibe ho an’ny faritra ny fisian’ny hetsika toy izao, hanehoana ny traikefan’ireo mpandraharaha isam-paritra sy ny mampiavaka ny faritra tsirairary ary indrindra ihany koa ho fampandrosoana ifotony.
Fotoana iray hampivondronana mpandraharaha sy mpiara-miombona antoka maro, hisokafana amina tsena vaovao ary hampivoatra ny fandraharahana eny anivon’ny faritra ny Foara Meva.
Nisokatra ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombona antoka vahiny toy ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria ao amin’ny Nosy La Réunion izay vonona hanomboka avy hatrany izany fiaraha-miasa izany.
Liana amin’ny tetikasa ODOF ireo mpandraharaha ao amin’ny faritra Diana ka mangataka fizarana bebe kokoa sy famelabelarana mikasika ny tetikasa izy ireo mandritra ny hetsika Foara Meva.

Vous aimerez aussi...