Foara rejionalin’ny fambolena, fiompiana ary indostria

foara_rejionaly
Miara-mientana hampiaina ny toekarem-paritra Bongolava ny mpisehatra miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana
Fotoana ihaonan’ny hery rehetra, ny fanjakana sy ny tsy miankina, ifanakalozana sy iaraha-manambatra hery hanamafisana ny tohana ho an’ny taha-pahavitrihan’ny faritra Bongolava amin’ny sehatry ny indostria sy varotry ny fambolena sy fiompiana ary servisy ny Foaram-paritra andiany faharoa haharitra hateloana ao Tsiroanomandidy.
Tonga nanokatra izany tany an-toerana, nisolo tena ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC), omaly Alakamisy 1 Aogositra 2024, ny Sekretera jeneraly Vahinisoa Rasamoely Ranoelimanana. Trano heva 38 no ampirantiana ny vokatra sy ny ezaka ary ny rafitra misy miara-mamelona ny ekonomia ao Bongolava.
Fotoana lehibe manokana ihany koa io satria manatona ny eny ifotony ny Minisitera manazava ny dingana efa irosoana ankehitriny, mba anohanana ny sehatra tsy miankina sy fanjakana ary indrindra ireo Solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, amin’ny alalan’ny fandrafetana ny volavolan-dalàna mahakasika ny Fanondroana ara-jeografika (« indication géographique ») izay fomba iray hapetraka hanandratana ny vokatra manokan’ny faritra eto Madagasikara.
Ny faritra Bongolava dia mamokatra betsaka, manana ny maha izy. Isan’ny vokatra voaresaka mampiavaka azy ny vary mainty sy ny baie rose.
Noderain’ny Sekretera jeneraly ny fifanomezan’ny tompon’andraikitra ao an-toerana tanana mba hanohanana ny fanamorana ny fandraharahana. Olo-manan-kaja maro no nanome haja ny lanonana.

Vous aimerez aussi...