Foaran’ny federasion’ny vehivavy mpandraharaha ara-barotra eo anivon’ny COMESA

Sambany, amin’izao andiany faha-5 amin’ny Foaran’ny Federasionan’ny Vehivavy mpandraharaha ara-barotra eo anivon’ny Vondrona COMESA izao, no ho ampiantranoin’ny tany miteny frantsay sy aty amin’ny fari-dranomasimbe indiana ny hetsika. Isika eto Madagasikara no handray izany amin’ny volana Jona amin’ity taona 2024 ity.
Nandritra ny fihaonan’ny delegasionan’ny Vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara, niaraka tamin’ny avy any Rwanda, tamin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy androany Alarobia 06 Marsa 2024 tetsy Ambohidahy no nilazana fa anisan’ny fihaonana ara-barotra lehibe ity ho tontosaina eto amintsika ity.
Naneho ny fahavononany hanohana izao hetsika izao ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra. Nambarany kosa anefa ny tokony handrindrana izany hifanaraka amin’ny politikan’ny Minisitera sy ny fisarihana mpampiasa vola ho avy eto Madagasikara. “Tena ampirisihana ireo vehivavy mpandraharaha havitrika amin’ny famaliana ny Antso ho an’ny tetik’asa amin’ny fitantanana ireo fitaovana indostrialy anatin’ny Tetik’asa ODOF”. Ny sasany amin’ireo milina efa mihodina ireo dia efa tantanin’ny vehivavy.
Fotoana ampahafantarana ny ezaka vitan’ny Fanjakana malagasy tamin’ny fanatsarana ny tontolo manodidina ny fandraharahana io foara io, hoy ny Minisitra. Tafapetraka ny Lalàna momba ny Fampiasam-bola ary vita sonia ny Fifanarahana momba ny Fandaharan’asa maharitra ho an’ny indostria.

Vous aimerez aussi...