Foire Internationale de l’Agriculture (FIA) 2024

𝗣𝗮𝗶𝗸’𝗮𝗱𝘆 𝗵𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝘃𝗶𝘁𝗮𝗻-𝘁𝗲𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝘀𝗮𝗸𝗮𝗳𝗼 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗱𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗲𝗻𝘆 𝗶𝗳𝗼𝘁𝗼𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗺𝗯𝗼𝗹𝗲𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗮𝗻𝘁𝘀𝗮𝗵𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗷𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗩𝗶𝘁𝗮 𝗺𝗮𝗹𝗮𝗴𝗮𝘀𝘆, 𝗵𝗼𝘆 𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗗𝗮𝘃𝗶𝗱 𝗥𝗔𝗟𝗔𝗠𝗕𝗢𝗙𝗜𝗥𝗜𝗡𝗚𝗔

fia
“Ny fiaraha-miasa no tiana asongadina, banjinina ary voizina manomboka izao, ao anatin’izay no anapahana hoe aiza sy aiza avy no ametrahana ireo ozinina entina hampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara”. Nanamafy ny fahavononany hanatanteraka ny andry faharoan’ny fampandrosoana, araka ny Politika ankapoben’ny Fanjakana, ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) sady mpiahy ny Foara iraisam-pirenena momba ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono (FIA) androany Alakamisy 12 Septambra 2024 teny Tanjombato, tamin’ny lanonam-panokafana ny hetsika izay haharitra efatra andro.
Efa voafaritry ny Minisitera ny toerana misy ny akora fototra, hoy ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA. “Raha tsy misy ny akora fototra dia foana ihany ny fisian’ny ozinina, na ny indostria, na ny tetik’asan’ny Minisitera mahakasika an’izany”.
Nandritra ny lahateniny no nanambaran’ny Minisitra fa tsy miantoka afa-tsy ny 15%-n’ny Harin-karena faobe ny indostrian’ny famokarana eto amintsika. Kendrena ny hampiakarana an’izany ahafahana mamorona sanda fanampiny (valeur ajoutée), manokatra tsena vaovao ho an’ny vokatra eto an-toerana, ary manome asa vaovao an’arivony.
Nampahatsiahivin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria teto ny dingana vita tamin’ny fanatanterahana ny Tetik’asa ODOF (One District One Factory) izay manome lanja ny fanodinana ireo vokatry ny tantsaha isaky ny distrika. Nanomboka ny taona 2019 dia nisy ny fanohanana tamin’ny fanomezana fitaovana. Manana orinasa madinika sy salantsalany miisa 82 isika amin’izao fotoana izao, nahazo tombontsoa tamin’izany fanohanana izany, niteraka asa efa ho 1.000 mahery.
“Inoanay tanteraka fa ny fanodinana eny ifotony ny vokatra dia tena ilaina amin’ny fanohanana ny fahefa-mividin’ny mpamokatra sy ny fientanan’ny toekarem-pirenena. Amin’izao fomba fiasa izao dia ampirisihana mafy ny fanjifana ny “Vita Malagasy” izay homen-danja amin’ny politika ara-toekarena eto amintsika”, hoy ihany ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA.

Vous aimerez aussi...