Herinandron’ny GMI (Génie Mécanique Industrielle)

Mpianatra 120 ao amin’ny GMI Vontovorona nentanina hanana kolontsaina tia fandraharahana
Tanora mpianatra ao amin’ny taona voalohany hatramin’ny taona fahadimy ireto notairina tsy hionona amin’ny fahaizana amam-pahalalany ireto fa hirotsaka amin’ny fandraharahana hanatsara ny fari-piainany sy ho tombontsoan’ny hafa ihany koa.
Nampahafantarin’ny ekipan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE) azy ireo, omaly Alarobia 17 Jolay 2024 teny Vontovorona, ny kolontsaina tia fandraharahana sy ny momba ny Orinasa kaoperativa. Raha te-handraharaha dia mila manana tanjona, vina, paikady hanantaterahana ny fandraharahana, ho lasa fitadiavam-bola maharitra sy afaka mamorona asa ho an’ny hafa. Mila mahay mandray fanapahan-kevitra sy mahay mandanjalanja fotoana rehefa hiditra anaty fandraharahana.
Nentina tamin’izany koa fa misy karazany ny kaoperativa misehatra amin’ny fandraharahana. Ao ny mirotsaka amin’ny famokarana, ny varotra, ny fitaterana… Fa ao indrindra koa ireo misahana ny fanodinana ireo vokatra eny ifotony hivadika vola sy ho fampananan’asa an’ireo tantsaha sy ireo tanora amin’ny alalan’ny Tetikasa ODOF (One District One Factory) izay tanterahan’ny MIC. Hiteraka tombotsoa ho an’ny kaominina sy distrika izany.
Nankasitrahan’ireo mpianatra izao hetsika izao fa nahazoany fahalalana momba ny kolontsaina tia fandraharahana sy ny orinasa kaoperativa.

Vous aimerez aussi...