Hetsika ara-barotra sy ara-toekarena anatin’ny tsena iombonana ho an’i afrika atsinanana sy atsimo (COMESA)

Miantso ny vehivavy mpandraharaha hiditra an-tsehatra amin’ny ODOF ny Minisitra Edgard Razafindravahy

“Manome hasina ny fahaiza-miatrika sy ny toerana misy ny vehivavy mpandraharaha isika anio indrindra fa ny eto Madagasikara. Ianareo no fanilon’ny toekarentsika.” Nanoloana ny Vadin’ny Filoham-pirenena, Ramatoa Mialy Rajoelina, sy ireo olo-manan-kaja, tompon’andraikitra samihafa no nanehoan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy fahavononana hiara-hiasa amin’ireo vehivavy mpandraharaha ahafahana mampandroso marina ny toekarena miainga eny ifotony.
Miisa 59 ankehitriny ireo milina napetraka eny amin’ny distrika hanodina ny vokatra ao anatin’ny Tetik’asa ODOF « One District One Factory ». Manohana ny orinasa madinika sy salantsalany ny ODOF amin’ny famokarana entana hifanaraka amin’ny kalitao ilaina eo amin’ny tsena iraisam-pirenena satria antenaina hiondrana any ivelany ireo vokatra ireo.
Eo indrindra no iantsoan’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) ny vehivavy mpandraharaha hisehatra amin’ny ODOF. “Miantso koa aho an’ireo mpiara-miombonantoka mba hanohana azy ireo amin’ny fampidirana ny vokatra any amin’ny tsena Afrikana. 600 tapitrisa ny mpanjifa raha iresaka ny tsenam-barotra lehibe ZLECAF (Faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikana)”, hoy izy androany Zoma 28 Jona 2024 teny Alarobia, nandritra ny lanonam-panokafana ny Hetsika ara-barotra sy ara-toekarena andiany faha-5 karakarain’ny Federasionan’ny vehivavy mpandraharaha eo anivon’ny Tsena iombonana ho an’i Afrika atsinanana sy atsimo (COMESA).

Vous aimerez aussi...