Hetsika “Espace jeune entrepreneur” : Hanokatra sehatra ifanakalozana hampiroboroboana ny fandraharahana ny CEERE ny 10 sy 11 Marsa 2023

Roa andro no hatokan’ny CEERE (Club Entrepreneurs Étudiants du Rendez-vous des Entrepreneurs) ho an’ny hetsika « Espace Jeune Entrepreneur » (EJE). Fotoana hanokafany sehatra ifanakalozana momba ny fandraharahana ka lohahevitra amin’ity andiany faha-11 hatao etsy amin’ny Carlton Anosy ity ny hoe « Fandraharahana, safidim-piainana ».

Toy ny isan-taona, ny MICC dia miahy sy manohana hatrany ny hetsika. Hizara roa mazava tsara moa ny fandaharam-potoana mandritra ireo 2 andro ireo : ny andro voalohany dia natao ho an’ireo mpandraharaha te hanatsara ny tetikasany sy ny tolotra omeny. Ny andro faharoa kosa dia ho atokana ho an’ireo tanora sy mpianatra mbola vao manana tsirin-kevitra sy ny daholobe izay maniry hiditra amin’ny fandraharahana. Mifanandrify sy mifameno amin’ny andraikitra sy vina apetraky ny Ministera moa izao hetsika izao dia ny fampirisihina sy fampiroboroboana ny fandraharahana indrindra fa eo amin’ny tanora sy vehivavy.

Sary DPE

Vous aimerez aussi...