Fitaleavam-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (DRIC) SAVA.

𝗡𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗶𝗷𝗲𝗿𝘆 𝗵𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻-𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗗𝗥𝗜𝗖 𝗦𝗔𝗩𝗔 𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗗𝗮𝘃𝗶𝗱 𝗥𝗔𝗟𝗔𝗠𝗕𝗢𝗙𝗜𝗥𝗜𝗡𝗚𝗔

Nanome toromarika an’ireo mpiara-miasa any amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) SAVA ny Minisitra David RALAMBORIFINGA tamin’ny fandalovany tany Sambava, nanatrika ny fametrahana samboady ho an’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ireo solombavambahoaka voafidy tany amin’iny faritra iny.

Nomen’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) lanja manokana ny maha-olona amin’ny fanatanterahany ny andraikitra amin’ny fitantanana ny Minisitera.

▶️Momba ny fampiroboroboana ny indostria dia nahitsy ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA amin’ny tsy maintsy hampandrosoana tsikelikely daholo ireo asa efa natomboka hatramin’izay ary atao izay itondrany fanovana eo amin’ny fiainan’ny rehetra. Tafiditra anatin’izany ny Tetik’asa ODOF (One District One Factory) sy ny fampandehanana ireo indostria goavana ahafahana manaparitaka ny vokatra voaodina manerana ny Nosy. “Tsara raha vokarintsika eto Madagasikara ny zavatra ilaintsika andavanandro”, hoy ny Minisitra raha nampita ny fanambaran’ny Filoham-pirenena tamin’ireo mpiara-miasa any amin’ny DRIC SAVA.

▶️Tokony hanampy ny fampiroboroboana ny indostria kosa ny varotra. Amin’ny varotra anatiny dia andrasana amin’ny MIC ny fandrindrana. Asantsika, hoy izy, ny manampy, manena ny mpanelanelana mba tsy hampidangana ny vidin’entana ary manara-maso ny kalitaon’ny entana eny amin’ny mpivarotra. Eo amin’ny varotra ivelany kosa dia mila ampiana hahafantatra ny toerana andefasana ny vokatra ny mpandraharaha mpanondrana. nametraka ny maha-zava-dehibe ny fanondranana, indrindra amin’ny maha-mpamokatra lavanila ny Faritra SAVA.

Mila omen-danja ny vokatra misy eto Madagasikara ka iarahana miasa amin’ireo Departemanta minisiterialy rehetra izany.

Ny MIC moa no Minisitra mpiahy (Coach) ny Faritra SAVA. Tsy mijanona amin’ny indostria sy ny varotra fotsiny ihany fa hijery akaiky ny zava-misy rehetra any an-toerana izy ahafahana manao tatitra amin’ny ambaratonga.

Vous aimerez aussi...