Journée « Pôle entrepreneuriat »

Nampihaonina tetsy Antaninarenina ny mpandraharaha tanora sy ireo rafitra mpanohana ny fampiroboroboana fandraharahana.
Andiany fahatelo amin’ny tontolo andro « Pôle Entrepreneuriat » no notontosaina tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ny Sabotsy 21 Septambra 2024. Mpiahy ity hetsika ity ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC).
“Ny firotsahan’ny Fanjakana amin’ny fanomezana sehatra ivelaran’ny famoronana, ny fampiasam-bola, ny zava-baovao indrindra fa ireo entin’ny tanora dia maha-te hidera. Mariky ny fahavononana hanatratra ny tanjona fitomboana ara-toekarena sy asa mendrika ho an’ny rehetra izany satria zava-dehibe loatra ny fanamafisana ny fandraharahana ahafahana manampy ny fampiroboroboana ny indostria indrindra ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany ary ny orinasa kaoperativa”, hoy ny solontenan’ny MIC nandritra ny lahateny fanokafana.
Anisan’ireo nampiranty ny vokany nandritra ny hetsika moa ny orinasa nisitraka ny milina fanodinam-bokatra avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra anatin’ilay Tetik’asa ODOF (One District One Factory).
Nisaoran’ny solontenan’ny MIC ny Tranoben’ny Fandraharahana izay tompon’ny hevitra sy nikarakara ny “Pôle entrepreneuriat”.

Vous aimerez aussi...