Journees de Programmation Industrielle: telo andro ((24-26 mey 2023) namaritana sahady ny tondro zotra amin’ny fifanarahana ara-indostrialy eo amin’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina.

Tanjona napetraka ho an’ity atrik’asa naharitra telo andro tetsy amin’ny Novotel ity ny famolavolana ny tondro zotra entina mandrafitra ny fifanarahana ara-indostrialy amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. Ahitana ny fanohizana ny fandraisana andraikitra avy amin’ny roa tonta eo amin’ireo sehatra fototra toy ny ny fandraharahana momba ny fambolena, ny lamba, ny fanodinana ny harena ankibon’ny tany, ny momba ny loha-menaka ary ny angovo azo avaozina. Tsy hijanona ho resaka ambony latabatra nandritra ny atrik’asa ihany izany fa hitohy mandrakariva ny fifampiresahana eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (DPP) ka manana hatramin’ny farany volana jona 2023 ny roa tonta hanolorana izany fandraisana anjara izany.

Nibahana nandritra ny fanehoan-kevitra ny maha-zava-dehibe ny famokarana eto an-toerana ny filàna rehetra ary voakasik’izany avokoa ireo sehatra isan’ny laharam-pahamehana na sehatra fototra izany. Isan’izany sehatra izany ny angovo azo avaozina izay fanoitry ny fampiroboroboana ara-indostrialy.

Marihana fa miaraka mifanome tanana sy miara-miasa ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) sy ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana izay Filohan’ny komity mpitarika eo amin’ny fanatanterahana ny dinika iarahan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina (DPP).

Laharam-pahamehana ny fiaraha-mientana na eo amin’ny rafi-panjakana voakasiky ny sehatra fototra na eo amin’ny sehatra tsy miankina ahafahana mandroso amin’ny fanatanterahana izay fandraisana andraikitra voarafitra anatin’ny fifanarahana ara-indostrialy amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi...