Lalao fitaizam-batana mpiasam-panjakana (ASIEF) 2024

Medaly 8 no nentin’ny solontenan’ny MIC nody. Ny iray amin’ireo volamena, telo volafotsy ary efatra alimo.
Fanomezan-tokin’ireo mpiara-miasa eto amin’ny MIC ny hiady hahazoana vokatra tsara sy hitondra amboara ho an’ny Minisitera raha niainga teto Antananarivo izy ireo ny Alahady 04 Aogositra ho any Antsirabe. Tsara ny vokatra raha mitaha amin’ny teo aloha. Nahazo medaly miisa 8 izy ireo nandritra ny lalao fitaizam-batan’ny mpiasam-panjakana 2024.
Taranja ady totohondry: medaly volamena iray sy medaly volafotsy iray
Taranja atletisma: medaly volafotsy miisa roa
Taranja dihy: medaly alimo miisa 4
Ho an’ny taranja baolina kitra kosa dia nitana ny laharana fahatelo tao amin’ny vondrona nisy azy ny ekipan’ny MIC. Ary ho an’ny taranja tsipy kanetibe dia tonga teo amin’ny ampahaefa-dalana ny ekipa.

Vous aimerez aussi...