Lalaon’ny nosy/Badminton?: tafakatra amin’ny ampahaefa-dalana i Madagasikara ??

Manohy ny diany ny mpanao Badminton dimy mianadahy taorian’ny fifanintsanana nifarana omaly. Hiatrika ny lalao ampahaefa-dalana izy ireo amin’ity Zoma 1 Septambra 2023 ity.
Mpilalao malagasy 3 hanitsaka ny kianja eny amin’ny Forello Tanjombato amin’ny lalaon’olon-tokana, hisy koa ny lalao iarahan’ny atleta roa lahy sy vavy ary ny handraisan’ny olon-droa lehilahy sy olon-droa vehivavy anjara.
Nivoaka ho mpandresy nanoloana ny mpifanandrina taminy omaly i Mamisoa Stéphania Razafimamonjiarisoa sy i Soaniaina Tombotsoako Razanamaly ary i Lalaina Jeremy Ramanana.
Teo amin’ny olon-droa vavy sy lahy dia nandresy ny ekipa avy atsy Mayotte koa ny ekipa malagasy nisy an’i Mamisoa Stéphania Razafimamonjiarisoa sy Tokinirina Razafimandimby.
Hanohy hiaro ny voninahi-pirenentsika koa eo amin’ny olon-droa lehilahy i Julio Keman Randriamalala sy Lalaina Jeremy Ramanana. Ary eo amin’ny olon-droa vehivavy i Mamisoa Stéphanie Razafimamonjiarisoa sy Soaniana Tombotsoako Razanamaly.?

Vous aimerez aussi...