Lapan’ny antenimieram-pirenena sy antenimieran-doholona

Nisokatra ny fivoriana ara-potoan’ireo Antenimiera mpanao lalàna.

Nanatrika ny lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ireo Antenimiera roa tonta mpanao lalàna ny mpikambana ao amin’ny Governemanta ifarimbonana tarihin’ny Praiminisitra Christian Ntsay omaly 17 Oktobra 2023. Ny Talata faharoa amin’ny volana Oktobra no manomboka izany fotoam-pivoriana izany araka ny voasoatra ao amin’ny Lalam-panorenana.

Anisan’ireo tonga teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza sy tetsy amin’ny Lapan’ny Antenimieran-doholona Anosikely ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy.

Vous aimerez aussi...