Madagascar entreprises developpement

10 taona nanomezana fanofanana sy tantsoroka ho fampiroboroboana ny fandraharahana ny MED.

Na mpitantana orinasa madinika na mpitarika tetik’asa dia nomen’ny Madagascar Entreprises Développement (MED) fanofanana sy fanohanana. Nanome tolotra isan-karazany sy fanofanana manokana ny mpandraharaha ao anatin’ny Club des entrepreneurs Aina Vao-MED koa izy.
Nofaranana tamin’ny Zoma 6 Aprily 2024 lasa teo tetsy Faravohitra ny fankalazana ny faha- 10 taonan’ny MED. Ny Ivon-toerana eoropeana momba ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana (IECD) no nampisy ny MED. Ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC), tamin’ny alalan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana dia efa niara-niasa tamin’ny MED nandritra izay 10 taona izay ary miahy sy manohana azy ireo hatrany anatin’izay fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana izay indrindra ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany.
Nasongadin’ny solontenan’ny MIC tamin’izany lanonam-pamaranana teny Faravohitra fa ny fanohanana ny fandraharahana dia ilaina amin’ny fampandrosoana izany sehatra izany, ny fampandrosoana ny indostria, ny fitantanana tsara ary ny faharetan’ny orinasa. “Anisan’ny tetik’asa lehiben’ny MIC entina ampirisihana sy ampivelarana ny fandraharahana eto Madagasikara ny ODOF amin’ny alalan’ny fananganana indostria madinika manerana ny distrika maro”.
Sary DPE

Vous aimerez aussi...