Maitso ahitra

Tongan’ny Vary Gasy Tsinjo Antsiranana.Vary gasy 54 taonina amidy amin’ny vidiny 950 Ar/kapoaka no ho ezahana haparitaka eny amin’ny mpaninjara rehetra. Nomarihina omaly Alakamisy 22 Febroary 2024 maraina tao an-tampon-tanànan’Antsiranana ny fanombohan’ity hetsika ity, ho fitsinjovana ny mpanjifa amin’izao vanim-potoanan’ny maitso ahitra izao. Manatanteraka izany ny orinasa SPM (State Procurement of Madagascar) sy ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) DIANA.

Sary DRIC

Vous aimerez aussi...