MICC: nandray ny asany tamin’ny fomba ofisialy ny Tale misahana ny fiaraha-miasa sy ny tetikasa (DPP)

Tontosa omaly 12 jona 2023 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Tale mpisolo toerana nisahana ny fiaraha-miasa sy ny tetikasa sy ny Tale hisahana izany foibem-pitondrana izany. Hanitsoa Ravo Ramahery manomboka eto no handray ny toeran’ny DPP.
Naneho ny fahavononany hanohy ny asa ny Tale vaovao ary hitondra ny anjara birikiny hanatsarana izany, hitondra rivo-baovao ihany koa.
Nanatrika ny lanonana ny Talen’ny Kabinetra eto anivon’ny MICC. Notsindriany fa manana ny anjara toerana fototra eto amin’ny minisitera ny DPP. Nirary soa azy hahefa be amin’ny asany ny Talen’ny Kabinetra.

Vous aimerez aussi...