Nanaitra ny mpiara-miasa hiara-hientana sy hiasa ho an’ny tombotsoan’ny vahoaka malagasy ny minisitra David Ralambofiringa

minisitra_david
Tsy vaovao amin’ny Minisitra David Ralambofiringa ny asa sahanin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra. Manome toky ny tenany hanohy ireo asa rehetra ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy. Matoky ihany koa ny fahaiza-manao ny teknisianina tsiraitsiray amin’ny fandraisana ny andraikitra manoloana izany eto anivon’ny MIC. Miandrandra sy manantena fanatsarana avy amintsika nomena ny andraitrika eto amin’ny firenena ny vahoaka. Ary miandry ny fahavonona avy amin’ny mpiara-miasa eto anivon’ny Minisitera ny Minisitra ankehitriny hifanome tanana ho fampandrosoana ny firenena sy fanatanterahana ny Politika ankapobenin’ny Fanjakana. “Hanampy anareo amin’ny fanatrarana ny tanjona ny tenako” hoy izy nanamafy izany fahavonona izany androany Alatsinainy 26 aogositra 2024 nandritra ny fananganan-tsaina voalohany niarahany tamin’ny fianakaviam-ben’ny MIC tetsy Ambohidahy.
Imasoana avokoa ny teboka 3 andry fototry ny Politika ankapobenin’ny Fanjakana ankehitriny:
•⁠ ⁠Politika mikasika ny mahaolona: hifanome tanana amin’ny fanatanterahan’ny tsirairay ny fahaiza-manaony eo amin’ny fampandrosoana ny Minisitera
•⁠ ⁠Politika mikasika ny fampiroboroboana ny indostria: hitohy ary hitombo isa ny fanaparitahana ireo ozinina madinika ODOF
•⁠ ⁠Politika mikasika ny fitondrana: handray ny andraikiny ny tsirairay ary hiaraka hamindra sy handroso amin’ny fanatanterahana ny asa

Vous aimerez aussi...