Herinandron’ny fampiroboroboana ny Indostria :Ifanatrehan’ny Rafi-panjakana sy ny Sehatra tsy miankina ny momba ireo sakana amin’ny fivelaran’ny indostria.

Nanomboka androany etsy amin’ny Antenimieran’ny Varotra Antaninarenina ka tsy hifarana raha tsy ny Zoma 1 Avrily 2022 izao ny Fifampidinihana hikatsahana vahaolana, ho fampandrosoana ny Indostria araka ny tanjona apetraky ny Velirano 7 sy 9. Hikaon-doha mandritra izany ireo avy amin’ny Fikambanan’ny mpandraharaha toy ny GEM, FIVMPAMA, SIM, GEFP, GEHEM, SETPB, GEFM, andaniny, ary ny Minisitera misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Minisitera misahana ny Angovo, ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Vola, ny EDBM ary ny JIRAMA, ankilany.
Navoitran’ny Minisitra Edgard Razafindravahy nandritra ny fanokafana fa efa hanomboka hiodina amin’ity taona ity ny Orinasa mpamokatra siramamy SASM any Brickaville ; hiodina amin’ny volana ambony ihany koa ny orinasa mpamokatra siramamy any Boeny ary ny volana Mey ny any Mahatalaky. Anisan’ny ahafahana mametra ny vidim-piainana koa ny fametrahana ny Taninketsa Indostrialy.
« Fotoana izao hifanomezan’ny sehatra tsy miankina sy ny Fanjakana tanana hitondrana fampandrosoana haingana sy maharitra ho an’ny firenena », hoy ny Minisitra.
Anisan’ny sakana amin’ny fandrosoan’ny indostria ka itadiavana vahaolana anatin’izao dinika izao ny momba ny fahazoana angovo, fahazoana famatsiam-bola, ny olan’ny fitaterana, ny momba ny hetra sy ny fifandraisana amin’ny sampandraharaham-panjakana.

Vous aimerez aussi...