Vidim-piainana: natomboka ny fiaraha-miasa amin’ny Mpiaro ny zon’ny mpanjifa

Nitana ny teny nomena nandritra ny fihaonana, herinandro lasa izay, ny MICC sy ireo Fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Niara-dalana tamin’ny ekipan’ny Departemantan’ny fiarovana ny mpanjifa (DPC) eto anivon’ny minisitera nidina teny an-tsena tamin’ny sabotsy 26 Marsa 2022 teo ny avy amin’ny fikambanana GARDUC. Na teny Analakely, na Ambondrona, Mandrosoa hatreny Ambohijatovo dia nisy hatrany ny fanabeazana ireo mpaninjara mikasika ny lalàna mifehy ny varotra. Hotanterahina indroa na intelo isan-kerinandro izao fiarahana midina eny an-tsena izao araka ny fehin-kevitry ny fihaonana.

Vous aimerez aussi...