Vaovaon’ny faritra Menabe: Natao loa-bary an-dasy niaraka tamin’ny mpamongady ny vidin’ny PPN
Nampiantso ireo mpamongady ao Morondava ny DRICC Menabe tamin’ny zoma 25 Marsa 2022 lasa teo. Tamin’izany no nampanantenan’ny mpamongady fa hitsinjo ny mpanjifa izy ireo ka vidin’entana sy tombony ara-drariny no hampihariny. Entana avy aty Antananarivo moa no hamatsian’ireo mpamongady ireo ny mpaninjara any an-toerana. Nifanaiky ny andaniny sy ankilany fa ho tohizana ny fifampiresahana ka hifanatona ny roa tonta mialohan’ny ampiakarana ny vidin’entana raha voatery hiroso amin’izany ny mpandraharaha. Natrehin’ny solontenan’ny solombavambahoaka moa ity fihaonana ity.