Notokanan’ny Ministra Edgard Razafindravahy ny taninketsa indostrialy ao Analavory

Midina hatrany any amin’ny kaominina ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony
Raha indostria iray isaky ny distrika (One District One Factory) no fanamby dia efa mipaka hatrany amin’ny kaominina ankehitriny ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony. Taorian’ny kaominina Ankadinondry Sakay any amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy dia nitokana ny Taninketsa Indostrialy fanodinana ny voanjo ho lasa menaka tao amin’ny kaominina Analavory distrikan’i Miarinarivo indray ny Minisitra Edgard Razafindravahy omaly Sabotsy 09 Desambra 2023.
“Io hitantsika rehetra io. Tsy nofy intsony fa mitete ny menaka”, hoy ny mpandraharaha zanaky ny faritra voafantina hitantana ny milina nanoloana ny mponin’Analavory sy manampahefana isan-tsokajiny tonga tamin’ny lanonam-pitokanana.
Ankoatra ny vokatra menaka izay hanala fahasahiranana ny mpanjifa amin’ny fiainany andavanandro dia hahazoana sakafom-biby (tourteau) ho an’ny kisoa sy akoho koa ny fanodinana ny voanjo. Nambaran’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana fa sosialim-bahoaka mihitsy izao satria resaka fivelomana, sosialy ho an’ny tantsaha.
“Ento aty ny mpianatra hijery. Indray andro any izy ho lasa mpandraharaha”, hoy ihany ny Minisitra Edgard Razafindravahy raha nitodika tamin’ireo mpanabe sy tompon’andraikitra ao amin’ny Taninketsa Indostrialy ao Analavory.

Vous aimerez aussi...