Ny tontolon’ny fandraharahana sy fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara.

?? ?????? ???? – Ny sehatra tsy miankina dia fanoitra lehibe amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny indostria izay anisan’ny andry iankinan’ny fampandrosoana ny firenena. Nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA laharam-pahamehana ny fifampiresahana tamin’ireo vondron’ny sehatra tsy miankina indrindra amin’izao fanombohan’ny fe-potoam-piasana faharoa izao. Naneho ny fahavononany ny roa tonta ny hametraka ny fototry ny fiaraha-miasa mahomby hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sy hampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. Fanombohana ihany izao fihaonana voalohany izao fa hitohy miandalana ny fifanakalozana eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana

Vous aimerez aussi...