ODOF (One District One Factory): natolotry ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny milina fanodinana vokatra ho an’ny distrika efatra any Atsimo Andrefana

“Ny Filohan’ny Repoblika rehefa manome zavatra, dia nataony ho an’ny Vahoaka, ho tantanan’ny Vahoaka ka hatao any ifotony, ho antsika Vahoaka,” hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy, raha nanazava ny momba ireo milina rehetra natolotra tao amin’ny Kianja mitafo tao Toliara Centre ny Sabotsy 19 aogositra 2023 teo.

Milina fanodinana soja sy voanjo ho lasa menaka hapetraka any Ampanihy, milina fanamboarana chips avy amin’ny ovy, oviala, vomanga sy akondro ho an’ny distrikan’i Toliara I, kobam-bary ho lasa lafarinina sy paty ary kabaro sy tsaramaso maina ho tonga lafarinina ho an’i Toliara II sy Morombe.

“Ny tiako ho lazaina aminareo dia miasa isika, manakaiky ny Vahoaka isika”, hoy kosa ny Filoham-pirenena nandritra ny lahateniny. Nampahatsiahiviny fa anisan’ny Velirano nataony koa ny fametrahana milina fanodinam-bokatra isaky ny distrika (ODOF).

Tetikasa tanterahan’ny Minisiteran’ny Fampiroborobona ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) moa ny Taninketsa Indostrialy ka distrika manodidina ny 30 no efa nisitraka izany.

Toy ny tany amin’ireo distrika hafa dia anaovana Antso ho an’ny tetikasa (Appel à projet) ny fitantanana ireto milina ireto ka ireo olona eny ifotony mihitsy no antsoina hamaly izany.

 

Vous aimerez aussi...