FAMPIROBOROBOANA SY FAMPANDROSOANA NY SEHATRY NY FITSINJARANA ETO MADAGASIKARA

Tontosa ny 04 jona 2021 lasa teo ny fisokafan’ny ivon-toerana iray amin’ny fitsinjarana eto Madagasikara tamin’ny fomba ofisialy dia ny « KIBO Cash&Carry » tetsy Alarobia izay natrehan’ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana (MICA), Rtoa Lantosoa RAKOTOMALALA. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fitsinjarana sy ny fampiasam-bola eto amin’ny firenena izany amin’izao fiverenan’ny tontolon’ny fandraharahana miantrika ny fampandrosoana ara-toekarena izao. Mitondra ihany koa rivo-baovao sy fahasamihafana eo amin’ny sehatry ny fitsinjarana ny fisian’ny ivon-toerana toy ity hoy hatrany Rtoa Minisitra.
Ho an’ny MICA, ny mpanjifa dia mipetraka foana eo afovoan’ny asa aman’andraikitry ny minisitera. Ny fisian’ny « Cash&Carry » dia ahafahan’ny mpanjifa misitraka ny tolotry ny fitsinjarana sy manana safidy maro samihafa eo amin’ny entana ampiasana andavanandro (fanadiovana na sakafo…) ary indrindra amin’ny vidiny 15% latsaka. Ankoatra ireo vokatra mampiavaka azy dia miara-miasa akaiky amin’ny indostria eto an-toerana ary ahitana ireo vokatra malagasy ity ivon-toerana ity hanomezana safidy malalaka ny mpanjifa izay isan’ny zony rahateo.

Vous aimerez aussi...