OLAN’NY LAVANILA

Namaly ny hetahetan’ny daholobe ny fehin-kevitry ny dinika teo amin’ny Fitondram-panjakana sy ny Vovonana SOS Vanille androany tany amin’ny faritra SAVA
Tonga tany amin’ny faritra SAVA ny mpikambana telo ao anatin’ny Governemanta androany Alakamisy 23 Marsa 2023 nijery akaiky ny olan’ny lavanila. Nisy ny dinika teo amin’ny Minisitra misahana ny Varotra sy ny Fanjifana Edgard Razafindravahy, ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Justin Tokely ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria Serge Gellé, andaniny sy ny avy amin’ny Vovonana SOS Vanille notarihin’Andriamatoa Jean Pierre Laisoa, ankilany.
Afa-po tamin’ny fihaonana ny SOS Vanille. “Nody ventiny ny rano natsakaina. Miangavy anareo ho tony”, hoy ny mpitarika ny SOS Vanille Jean Pierre Laisoa.

Vous aimerez aussi...