One District One Factory

𝗡𝗶𝗮𝗱𝗶𝗮𝗻-𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗜𝗖 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗜𝗛𝗔𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗵𝗮𝗻𝗼𝗵𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗧𝗲𝘁𝗶𝗸’𝗮𝘀𝗮 𝗢𝗗𝗢𝗙

Natao loa-bary an-dasy ny lamin’asa tokony ho apetraka ahafahana manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) sy ny Fandaharan’asa nasionaly FIHARIANA. “Hifantoka manokana amin’ny fanohanana ny Fandaharan’asa ODOF (One District One Factory) sy ireo kaoperativa izany fanohanana izany”, araka ny nambaran’ny Talen’ny Fitrandrahana ao amin’ny Fandaharan’asa FIHARIANA, Irina RAMALANJAONA.

Miendrika fampihofanana ho an’ireo nahazo ny Tetik’asa ODOF izay fanohanana ara-teknika vinavinaina izay. Tafiditra anatin’ny lamin’asa koa ny mety ho filàna amin’ny famatsiam-bola izay tena fototry ny asan’ny FIHARIANA. Ny tanjona moa dia ny fanamafisana ny fahafaha-mamokatra sy ny fahafahan’ny fanjakana manohana na ara-bola na ara-teknika ny ODOF.

Tetsy amin’ny efitrano fivorian’ny MIC etsy Ambohidahy no nanatanterahana ny dinik’asa momba izany teo amin’ny tompon’andraikitra avy amin’ny MIC sy ny Fandaharan’asa FIHARIANA tamin’ity Zoma 06 Septambra 2024 ity. Mbola handalo dingana manaraka ny fifampiresahana taorian’ny dinika voalohany androany.

Vous aimerez aussi...