One District One Factory

𝗡𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮-𝗽𝗼 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗸𝗻𝗶𝗸𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗶𝗹𝗶𝗻𝗮 𝗢𝗗𝗢𝗙 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗱𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗼𝗮𝘀𝗮𝗿𝘆 𝗺𝗮𝗸𝗶𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻𝘆 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮

Nizotra tsy nahitana olana ny andrana ary namoaka vokatra ny milina fanodianana voasary makirana napetraky ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) any amin’ny Ditrikan’i Manandriana. Ny Talata 17 Septambra 2024 lasa teo no nanatanterahana izay andrana voalohany izay.
Hirosoana, manomboka eto, ny dingana manaraka ho fanarahan-dalàna mahakasika ny indostria sy ny fitiliana amin’ny maha-sakafo ny vokatra kirakiraina.
Notronin’ny lehiben’ny Faritra Amoron’i Mania sy ny mpiara-miasa aminy ny andrana teknina natao tany Manandriana.
Mahatratra 3500 taonina isan-taona ny vokatra voasary makirana any Manandriana sy ny manodidina. Afaka mamoaka ranom-boankazo 1000 litatra isan’ora kosa ny milina ODOF any an-toerana.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...