One District One Factory

Ho matihanina ny fikojakojana ny milina fanodinam-bokatra ary hanaja ny fenitra ireo mpitantana ny orinasa mba hiteraka fampandrosoana maharitra ny Tetik’asa ODOF
Fanaovan-tsonia roa sosona no notanterahana tetsy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) Anosy tamin’ity Alatsinainy 8 Jolay 2024 ity.
Ny fifanaraham-piaraha-miasa lasitra voalohany dia teo amin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ny Orinasa afrika tatsimo Us Okes Pty Ltd momba ny hiantohan’ity farany ny fikojakojana amin’ny fomba matihanina ireo milina ODOF. Hifantoka tanteraka amin’ny fampihodinana ny orinasa, araka izany, ireo mpandraharaha mitantana ny indostria ODOF fa tsy ho sahirana intsony amin’ny mety ho tsy fahatomombanan’ny milina. Hapetraka ny Toeram-pividianana (Centrale d’achat) ireo vokatra ODOF hanakaikezana kokoa ny mpanjifa sy hanamorana ny fanondranana ireo entana ireo any ivelany.
Tetsy ankilany dia nanaiky koa ireo mpandraharaha sy kaoperativa 17 mitantana ny orinasa ODOF fa hanaja ny fenitra ara-kalitao, handray ireo akora fototra avy amin’ny kaoperativa ary hangataka ny fahazoan-dalana ahafahany mivarotra ny vokatra.
Natao izany rehetra izany hahalasa ny indostria ODOF ho fanoitra ho amin’ny fampandrosoana ara-toekarena, hamorona asa ary hanome lanja ireo otrikarena isam-paritra.

Vous aimerez aussi...