One District One Factory

Hiodina tsy ho ela ny milina ODOF hamokatra savony any Sambava
Hanamboatra savony hatrany amin’ny 12 taonina, izany hoe 500 baoritra isanandro, ny orinasa ODOF any Sambava. Miavaka satria anisan’ny milina goavana indrindra amin’ireo 75 novidian’ny Fanjakana izy io. Nijery ifotony ny fandroson’ny dingana ahafahana mampihodina ny orinasa tany an-toerana ny ekipan’ny ODOF avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) notarihin’ny Tale jeneralin’ny Fampiroboroboana ny indistria (DGI) Njiva Rakotoarivonona ny Alakamisy 22 Aogositra 2024. Voafantina hitantana ny milina ODOF any Sambava moa ny Kaoperativa Prime.
Tanjona amin’ny fanatanterahana ny Tetik’asa ODOF ny ahafahana mamokatra vokatra tsara, mendrika ho jifain’ny malagasy ary indrindra manaraka ny fenitra. Mitaky fahaiza-manao sy fepetra samihafa, araka izany, ny fametrahana sy fampihodinana itony milina ODOF itony. Nojeren’ny avy ao amin’ny MIC manokana ity milina lehibe famokarana savony any Sambava ity amin’ny mahasaro-pady ny fepetra sy ny zotram-pamokarana savony. Izany dia nahafahana nanome ireo torolalana rehetra takian’ny fenitra, alohan’ny hirosoana amin’ny fampihodinana sy ny fitokanana azy.
Miara-miasa amin’ny Tetik’asa fanohanana ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Sehatra ara-bola (PAISF) ny Minisitera amin’izany. Tanjon’ny PAISF ny hampivoarana ny sehatry ny indostria eto Madagasikara amin’ny fametrahana izany ho antoky ny fampandrosoana sy famoronana asa. Mifanojo indrindra amin’ny antom-pisian’ny ODOF izay mikatsaka ny fampandrosoana ety ifotony, ho tombontsoan’ny faritra fa indrindra koa ho fampandrosoana ny firenena izany.

Vous aimerez aussi...