One District One Factory (ODOF)

Nahazo milina fanodinana paoma ho “cidre” ny Distrika Antsirabe II
Milina fanodinana ny paoma ho tonga « Cidre » no natolotra ho an’ny Distrika Antsirabe II izay distrika voalohany mpamokatra paoma eto Madagasikara omaly Alatsinainy 11 Desambra 2023.
Mahatratra 35000 taonina ny vokatra paoma ao anatin’ny Faritra Vakinankaratra ka hanampy betsaka ny tantsaha mpamokatra sy ireo kaoperativan’ny mpamboly paoma ny fisian’io milina vaovao io.
Nandray izany milina vaovao ao anatin’ny Tetikasa ODOF izany ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra sy ny Lehiben’ny Distrika Antsirabe II izay nisaotra ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) tamin’ny fanomezana izao fitaovana izao . Nankasitraka ihany koa ny fitondram-panjakana foibe amin’ny fanohizana ny fanatanterahana ny velirano faha-7.
Nanotrona izao fotoana izao ny Talem-paritra (DRICC) Vakinankaratra ,ny Ben’ny tanànan’Andranomanelatra, ireo Ben’ny tanàna maromaro ao Antsirabe II, ireo olom- panjakana isan-tsokajiny ary ireo Kaoperativa samihafa.
Faly tokoa ireo mpisitraka nandritra izao lanonana izao satria nambaran’ny solontenan’izy ireo tamin’ny fandraisam- pitenenana nataony fa tena zava- dehibe ny fanatanterahana ny ODOF ho an’ny Distrika Antsirabe II. Velom-pisaorana ny Minisitra sy ny fitondram- panjakana izy ireo noho izany.

source: DRICC

Vous aimerez aussi...