One District One Factory (ODOF)

lycoper_ketchup
Efa manafika ny tsena ivelan’ny Distrikan’Ambatondrazaka ny ketchup vokarin’ny Orinasa LYCOPER
Efa miparitaka manerana ny Distrikan’Ambatondrazaka ny vokatra azo avy amin’ny fanodinana voatabia ao amin’ny Orinasa ODOF ao Ambalabako Ambatondrazaka. Efa tonga any amin’ny distrika hafa toa an’Amparafaravola, Andilamena ary Moramanga koa ny ketchup sy ny voatabia voatoto. Ho an’ny toeran-kafa moa dia efa nanomboka tamin’iny herinandro lasa iny ihany koa ny fanapariahana izany eny amin’ny faritra izay ahitana ny toeram-pivarotana SCORE na CARREFOUR.
Tanjona napetraky ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Tetikasa ODOF ny hamokarana sy hanodinana eto an-toerana ihany ny entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana an-davanandro.

Vous aimerez aussi...