ONE DISTRICT ONE FACTORY (ODOF)

Tonga any Tolagnaro ny milina fanodinana tantely
Ny 01 Febroary 2024 lasa teo no noraisina tany Tolagnaro ny fitaovana hampandehanana ny Taninketsa Indostrialy fanodinana tantely, anjaran’ny distrika. Ankoatr’ireo manampahefana isan-tsokajiny any an-toerana dia tonga nanotrona ny fanolorana ny milina koa ireo solontenan’ny kaoperativa izay anisan’ny mpisitraka mivantana ny Tetikasa ODOF.
Tsy nanadino nisaotra ny fitondram-panjakana izay rehetra nandray fitenenana satria tsy adino ny distrikan’i Tolagnaro. “Fanoitra ho amin’ny fampandrosoana ny Faritra indrindra fa ireo tantsaha sy ny mpandraharaha mpanodina vokatra ny fahatongavan’izao milina izao”, hoy izy ireo.

Source: DRIC

Vous aimerez aussi...