Pole stage madagascar (PSM)

« Mba ho mpizatr’asa maha-tia handray », hoy ny Tale mpanatanteraky ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM), Vola Narindra Andriamanjatoarimanana tamin’ireo mpianatra 154 mianadahy raha nisitraka ny fiofanana arak’asa tamin’ny fandaharan’asa PSM
Nifarana omaly Alakamisy 11 jolay 2024 ny fiofanana arak’asa andiany faha-7 anatin’ny fandaharan’asa PSM izay naharitra efatra andro tetsy Anosy. Notolorana taratasy fanamarinana ireo mpianatra miisa 154 mianadahy avy amin’ny anjerimanontolo miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana nahavita hatramin’ny farany ny fiofanana. Maro ny tombony azon’izy ireo avy amin’ity fampiofanana ity. Manamora ny fahitan’izy ireo orinasa hanaovana fizaran’asa, manampy be azy ireo amin’ny fianarana ataony ihany koa ny niatrehany ity atrik’asa fampiofanana ity.
Mitohy hatrany ny fanohanan’ny MIC amin’ny alalan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE) ny tanora amin’ny sehatry ny fandraharahana.

Vous aimerez aussi...