Resaka vary simba

Nidina tampoka teny amin’ireo fitehirizam-bokatra sy tsenan’Imerintsiatosika ny mpanara-maso avy amin’ny MIC.

Vary vokatra eto an-toerana milanja 37 kg simba noho ny hamandoana. Tsy nisy afa-tsy izay no hitan’ny mpanara-maso avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra, niaraka tamin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, omaly Alakamisy 08 Febroary 2024 raha nidina teny Imerintsiatosika izy ireo. Voatetiny avokoa ireo fitehirizam-bokatra sy mpivarotra samihafa tao an-tsena. Nogiazana avy hatrany moa io vary io tsy ahafahan’ny mpivarotra manohy mivarotra azy sy ho fiarovana ny mpanjifa.
“Mahazo mahatoky ny mpanjifa fa tsy misy an’izay vary simba izay akory miparitaka eto anivon’ny tsenan’Imerintsiatosika fa noho izay antony manokana izay no nahatonga an’io vary io ho tratry ny fahalovana. Efa noraisina ny fepetra mifanandrify amin’izay”, hoy ny Tale misahana ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) Laurencia Razanadrakoto izay nitarika ireo mpanara-maso ireo teny Imerintsiatosika.
Misy ny vary. Miakatra ny vary vao amin’izao fotoana izao. 2650 Ar ny vidin’ny iray kilao amin’ny vary gasy mena eny Imerintsiatosika raha manodidina ny 1800 Ar ny kilaon’ny vary akotry.

Vous aimerez aussi...